Fambolena Petsay

 Anisan’ny foto-mpiveloman’ny olona ny fambolena, indrindra indrindra ho any olona mipetraka any ambanivolo. Maro dia maro ny karazan-java-maniry izay mety hambolena ohatra ny Petsay.Ny petsay dia anana  mora dia mora ny  fikarakarana azy,  ka ireto avy ny dingana tsotsotra arahina raha hamboly Petsay

Dingana 1
 Voalohany ny fisafidianana tany, tsara raha tany malemy sy tsy mitandrano ary masaka tsara no hambolena ny petsay, mba hampirindra tsara ny fivelomany




Dingana 2

Faharoa manaraka izay kosa, ny fotoana izay tokony tsara fambolena azy, manjary hamboly, mandavantaona ny petsay fa tsara raha amin’ny fotoana magnatsiaka (manitsy) na amin’ny volana Maritsa, agositra ary desambra no hambolena azy, azo hamboly koa izy io amin’ny volana apirily katra amin’ny volana jolay.







Dingana 3

Fahatelo ny fikarakarana ny famafaza ny voanana , vokavokarina aloa ny tany, mialoa ny hamafazana ny voananana na koa anamboarana toerana iray izay manokana. Potehina tsara ny tany ary afangaro amin’ny zesika taim-borona na kopostra mba haniry tsara.
 Manaraka izay dia afafy ny voananana ezahina mba homandomando ny tany mandrapa ampitsiry ny voananana izay nafafy dia rakofana fa rehefa afaka efatra katra aminny dimy andro dia ny famindrana ny zanakanana. Tsara tsara raha efa manana ravina roa na telo ny petsay zay vao afitra amin’ny toerana efa voalamina hametrahana azy, tondrahana matetika   indrindra indrindra amin’ny fotoana main-tany ary tandremana mba tsy ho voantondraka ny raviny dia avasana koa isakiny roa erinandro tsara raha zesika tai-mborona no atao zesika amin’ny petsay.



























Amin’ny ankapobeny mitovy amin’ny anana rehetra ny petsay samy tsy azo akajina maharitra fa mora simba. Ny maha tsara azy io dia afaka itadiavana vola na hatao sakafo, mba ampihena ny fiazana biby any anaty ala. Tsotra ny fikarakarana azy.
Amin’ny ankapobeny mitovy amin’ny anana rehetra ny petsay samy tsy azo akajina maharitra fa mora simba. Ny maha tsara azy io dia afaka itadiavana vola na hatao sakafo, mba ampihena ny fiazana biby any anaty ala. Tsotra ny fikarakarana azy.











Raha mila video ny fambolena petsay dia alifasa message amin’ny mail :

Commentaires